We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 4

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 3 Psalms Psalms 5 →

1

2Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.

3Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? [Sela.]

4Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.

5Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna. [Sela.]

6Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah.

7Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ ny tavanao, Jehovah ô.

8Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ ny taona nahabetsahan’ ny variny sy ny ranom-boalobony.

9Handry amin’ ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’ izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.

← Psalms 3 Psalms Psalms 5 →

Psalms 4 — malgaxe:

Injili ya Yesu