We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 5

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 4 Psalms Psalms 6 →

1

2Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.

3Henoy ny feon’ ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako.

4Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.

5Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.

6Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.

7Haringanao ny mpiteny lainga; ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon’ i Jehovah ho zava-betaveta.

8Fa izaho kosa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masìna amin’ ny fahatahorana anao aho.

9Jehovah ô, tariho amin’ ny fahamarinanao aho noho ny amin’ ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.

10Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.

11Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon’ ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben’ ny fahotany, satria efa niodina taminao.

12Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.

13Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.

← Psalms 4 Psalms Psalms 6 →

Psalms 5 — malgaxe:

Injili ya Yesu