We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 3

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 2 Psalms Psalms 4 →

1

2Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.

3Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.]

4Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.

5Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy.

6Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.]

7Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.

8Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao.

9An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao. [Sela.]

← Psalms 2 Psalms Psalms 4 →

Psalms 3 — malgaxe:

Injili ya Yesu