We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 130

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 129 Psalms Psalms 131 →

1Tao amin’ ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,

2Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ ny fifonako.

3Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?

4Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.

5Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.

6Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina.

7Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’ i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;

8Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ ny helony rehetra.

← Psalms 129 Psalms Psalms 131 →

Psalms 130 — malgaxe:

Injili ya Yesu