We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 129

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 128 Psalms Psalms 130 →

1Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:

2Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.

3Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.

4Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon’ ny ratsy fanahy Izy.

5Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an’ i Ziona

6Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;

7Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin’ izany;

8Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.

← Psalms 128 Psalms Psalms 130 →

Psalms 129 — malgaxe:

Injili ya Yesu