We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 128

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 127 Psalms Psalms 129 →

1Sambatra izay rehetra matahotra an’ i Jehovah, Dia izay mandeha amin’ ny lalany.

2Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.

3Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao.

4Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an’ i Jehovah.

5Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan’ i Jerosalema anie ianao Amin’ ny andro rehetra hiainanao.

6Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.

← Psalms 127 Psalms Psalms 129 →

Psalms 128 — malgaxe:

Injili ya Yesu