We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 127

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 126 Psalms Psalms 128 →

1Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.

2Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin’ ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an’ ny malalany, na dia matory aza izy.

3Indro, lova avy amin’ i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.

4Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.

5Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin’ ny fahavalo eo am-bavahady.

← Psalms 126 Psalms Psalms 128 →

Psalms 127 — malgaxe:

Injili ya Yesu