We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 126

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 125 Psalms Psalms 127 →

1Fony Jehovah nampody an’ i Ziona avy tamin’ ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.

2Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin’ ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho an’ ireny.

3Eny, zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.

4Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin’ ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan’ ny riaka any amin’ ny tany atsimo.

5Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.

6Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ ny fihobiana kosa.

← Psalms 125 Psalms Psalms 127 →

Psalms 126 — malgaxe:

Injili ya Yesu