We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 122

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 121 Psalms Psalms 123 →

1Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’ i Jehovah.

2Ny tongotray efa mijoro Eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,

3Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;

4Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah (Lalàna amin’ ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah.

5Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida.

6Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;

7Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao

8Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.

9Noho ny tranon’ i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.

← Psalms 121 Psalms Psalms 123 →

Psalms 122 — malgaxe:

Injili ya Yesu