We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 123

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 122 Psalms Psalms 124 →

1Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.

2Indro, toy ny fijerin’ ny ankizilahy Ny tanan’ ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin’ ny ankizivavy Ny tanan’ ny tompovaviny, No fijerintsika an’ i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.

3Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;

4Eny, tototry ny famingavingan’ ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan’ ny mpiavonavona.

← Psalms 122 Psalms Psalms 124 →

Psalms 123 — malgaxe:

Injili ya Yesu