We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 121

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 120 Psalms Psalms 122 →

1Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?

2Ny famonjena ahy dia avy amin’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

3Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.

4Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.

5Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ ny an-kavananao.

6Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.

7Jehovah hiaro anao amin’ ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.

8Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.

← Psalms 120 Psalms Psalms 122 →

Psalms 121 — malgaxe:

Injili ya Yesu