We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 120

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 119 Psalms Psalms 121 →

1Jehovah no nitarainako tamin’ ny fahoriako dia namaly ahy Izy,

2Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin’ ny molotra mandainga, Eny, amin’ ny lela mamitaka

3Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?

4Zana-tsipìkan’ ny mahery sady voaranitra, Mbamin’ ny vain’ afon’ anjavidy.

5Lozako, fa mivahiny eto amin’ ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain’ ny Kedarita!

6Ela loatra izay no nitoeran’ ny fanahiko teo amin’ Izay tsy tia fihavanana.

7Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.

← Psalms 119 Psalms Psalms 121 →

Psalms 120 — malgaxe:

Injili ya Yesu