We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 114

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 113 Psalms Psalms 115 →

1Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak’ i Jakoba avy tany amin’ ny firenena hafa fiteny,

2Joda no fitoerany masìna, Isiraely no fanjakany.

3Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.

4Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak’ ondry.

5Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao?

6Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak’ ondry?

7Mihorohoroa eo anatrehan’ ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Jakoba.

8Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.

← Psalms 113 Psalms Psalms 115 →

Psalms 114 — malgaxe:

Injili ya Yesu