We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 113

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 112 Psalms Psalms 114 →

1Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, Miderà ny anaran’ i Jehovah.

2Isaorana anie ny anaran’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.

3Hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany No hoderaina anie ny anaran’ i Jehovah.

4Avo ambonin’ ny jentilisa Jehovah; Ambonin’ ny lanitra ny voninahiny.

5Iza no tahaka an’ i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ ny avo,

6Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?

7Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika,

8Mba hametraka azy ho naman’ ny mpanapaka ny olony.

9Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.

← Psalms 112 Psalms Psalms 114 →

Psalms 113 — malgaxe:

Injili ya Yesu