We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 112

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 111 Psalms Psalms 113 →

1Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.

2Hahery ambonin’ ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.

3Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.

4Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.

5Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.

6Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.

7Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an’ i Jehovah ny fony.

8Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin’ ny mpandrafy azy.

9Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.

10Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ ny ratsy fanahy.

← Psalms 111 Psalms Psalms 113 →

Psalms 112 — malgaxe:

Injili ya Yesu