We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 111

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 110 Psalms Psalms 112 →

1Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe.

2Lehibe ny asan’ i Jehovah, Ka dinihin’ izay rehetra mankasitraka azy.

3Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.

4Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.

5Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.

6Ny herin’ ny asany nasehony tamin’ ny olony. Tamin’ ny nanomezany azy ny lovan’ ny jentilisa.

7Ny asan’ ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;

8Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

9Manatitra fanavotana ho an’ ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masìna sy mahatahotra ny anarany.

10Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

← Psalms 110 Psalms Psalms 112 →

Psalms 111 — malgaxe:

Injili ya Yesu