We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 110

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 109 Psalms Psalms 111 →

1Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

2Ny tehin’ ny herinao Havoak’ i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin’ ny fahavalonao Hianao.

3Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.

4Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka.

5Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ ny andron’ ny fahatezerany

6Hitsara any amin’ ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin’ ny tany malalaka Izy.

7Hisotro amin’ ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan’ ny lohany.

← Psalms 109 Psalms Psalms 111 →

Psalms 110 — malgaxe:

Injili ya Yesu