We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 115

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 114 Psalms Psalms 116 →

1Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.

2Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?

3Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.

4Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona:

5Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;

6Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:

7Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.

8Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.

9Ry Isiraely ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

10Ry taranak’ i Arona ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

11Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

12Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy;

13Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.

14Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ ny zanakareo.

15Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

16Ny lanitra dia an’ i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ ny zanak’ olombelona.

17Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah. Na izay midìna any amin’ ny mangingina;

18Fa izahay hisaotra an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. Haleloia.

← Psalms 114 Psalms Psalms 116 →

Psalms 115 — malgaxe:

Injili ya Yesu