We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 99

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 98 Psalms Psalms 100 →

1Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin’ ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.

2Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin’ ny firenena rehetra Izy.

3Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masìna Jehovah.

4Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba.

5Manandrata an’ i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin’ ny fitoeran-tongony; Fa masìna Izy.

6Mosesy sy Arona tamin’ ny mpisorony, Ary Samoela tamin’ izay mpiantso ny anarany, Niantso an’ i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.

7Niteny taminy tao anatin’ ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy.

8Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.

9Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masìna; Fa masìna Jehovah Andriamanitsika.

← Psalms 98 Psalms Psalms 100 →

Psalms 99 — malgaxe:

Injili ya Yesu