We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 100

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 99 Psalms Psalms 101 →

1Mihobia ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra.

2Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin’ ny fihobiana.

3Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.

4Midìra eo amin’ ny vavahadiny amin’ ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin’ ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany,

5Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.

← Psalms 99 Psalms Psalms 101 →

Psalms 100 — malgaxe:

Injili ya Yesu