We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 80

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 79 Psalms Psalms 81 →

1

2Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an’ i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, mamirapiratra.

3Fohazy ny herinao eo anoloan’ i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.

4Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.

5Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin’ ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?

6Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.

7Ataonao ho fifandirana amin’ ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.

8Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.

9Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.

10Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.

11Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.

12Nampisandrahaka ny rantsany hatramin’ ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin’ ny Ony.

13Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan’ izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?

14Ny lambo avy any an’ ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.

15Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.

16Arovy izay nambolen’ ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.

17Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran’ ny tavanao izy.

18Aoka ny tananao ho amin’ ny lehilahin’ ny tananao ankavanana, dia amin’ ny zanak’ olombelona izay nampaherezinao ho Anao.

19Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.

20Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.

← Psalms 79 Psalms Psalms 81 →

Psalms 80 — malgaxe:

Injili ya Yesu