We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 79

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 78 Psalms Psalms 80 →

1Andriamanitra ô, tonga eto amin’ ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masìna sady nanao an’ i Jerosalema ho korontam-bato.

2Ny fatin’ ny mpanomponao nomeny hohanin’ ny voro-manidina, ny nofon’ ny olonao masìna ho an’ ny bibidia;

3Ny ràny naidiny manodidina an’ i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.

4Tonga fandatsan’ ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran’ izay manodidina anay.

5Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?

6Aidino amin’ ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin’ ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;

7Fa efa nandany an’ i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.

8Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.

9Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.

10Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin’ ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran’ ny mpanomponao izay nalatsaka.

11Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan’ ny mpifatotra; araka ny halehiben’ ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.

12Ary valio impito heny ho ao an-tratran’ ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.

13Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin’ ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.

← Psalms 78 Psalms Psalms 80 →

Psalms 79 — malgaxe:

Injili ya Yesu