We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 67

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 66 Psalms Psalms 68 →

1

2Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; [Sela.] hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;

3Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra.

4Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

5Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. [Sela.]

6Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

7Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.

8Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

← Psalms 66 Psalms Psalms 68 →

Psalms 67 — malgaxe:

Injili ya Yesu