We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 66

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 65 Psalms Psalms 67 →

1Mihobia ho an’ Andriamanitra, ry tany rehetra;

2Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.

3Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao.

4Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. [Sela.]

5Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ ny zanak’ olombelona.

6Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra.

7Manjaka mandrakizay amin’ ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra. [Sela.]

8Misaora an’ Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,

9Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.

10Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ ny memy.

11Efa nampiditra anay tamin’ ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.

12Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin’ ny fitahiana mahatretrika Hianao.

13Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,

14Izay notononin’ ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.

15Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. [Sela.]

16Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ ny fanahiko.

17Izy no nantsoin’ ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ ny lelako.

18Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;

19Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon’ ny fivavako Izy.

20Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.

← Psalms 65 Psalms Psalms 67 →

Psalms 66 — malgaxe:

Injili ya Yesu