We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 150

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 149 Psalms

1Haleloia. Miderà an’ Andriamanitra eo amin’ ny fitoerany masìna. Miderà Azy eo amin’ ny habakabaky ny heriny.

2Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ ny voninahiny.

3Miderà Azy amin’ ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ ny valiha sy ny lokanga.

4Miderà Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.

5Miderà Azy amin’ ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ ny kipantsona tsara feo.

6Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’ i Jehovah. Haleloia.

← Psalms 149 Psalms

Psalms 150 — malgaxe:

Injili ya Yesu