We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 149

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 148 Psalms Psalms 150 →

1Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona masìna.

2Aoka ny Isiraely hifaly amin’ ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin’ ny Mpanjakany ny zanak’ i Ziona.

3Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga.

4Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.

5Aoka ny olona masìna hifaly amin’ ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.

6Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,

7Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,

8Hamatorany ireo mpanjakany amin’ ny gadra, Sy ny olo-malazany amin’ ny gadra vy.

9Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masìna rehetra Izany. Haleloia.

← Psalms 148 Psalms Psalms 150 →

Psalms 149 — malgaxe:

Injili ya Yesu