1Ny naorin’ i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masìna;
2Ny vavahadin’ i Ziona dia tian’ i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’ i Jakoba.
3Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan’ Andriamanitra. [Sela.]
4Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan’ izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin’ i Etiopia, Ity no efa teraka teo.
5Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.
6Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo. [Sela.]
7Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.