We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 82

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 81 Psalms Psalms 83 →

1Andriamanitra dia eo amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra; ary eo amin’ ireo andriamanitra no itsarany.

2Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? [Sela.]

3Alaharo ny tenin’ ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;

4Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy izy.

5Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin’ ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin’ ny tany rehetra.

6Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra;

7Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin’ ny lehibe.

8Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.

← Psalms 81 Psalms Psalms 83 →

Psalms 82 — malgaxe:

Injili ya Yesu