We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 77

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 76 Psalms Psalms 78 →

1

2Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.

3Tamin’ ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.

4Ta-hahatsiaro an’ Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. [Sela.]

5Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.

6Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.

7Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ ny alina aho; te-hidinidinika amin’ ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:

8Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?

9Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?

10Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny? [Sela.]

11Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ ny tanana ankavanan’ ny Avo Indrindra.

12Hampahatsiaro ny asan’ i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;

13Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.

14Andriamanitra ô, amin’ ny fitoerana masìna ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’ Andriamanitra?

15Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ ny firenena Hianao.

16Navotan’ ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’ i Jakoba sy Josefa. [Sela.]

17Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.

18Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.

19Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.

20Tany amin’ ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.

21Ny tanan’ i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.

← Psalms 76 Psalms Psalms 78 →

Psalms 77 — malgaxe:

Injili ya Yesu