We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 70

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 69 Psalms Psalms 71 →

1

2Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.

3Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ ny manjo ahy;

4Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!

5Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.

6Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.

← Psalms 69 Psalms Psalms 71 →

Psalms 70 — malgaxe:

Injili ya Yesu