We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 62

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 61 Psalms Psalms 63 →

1

2Andriamanitra tokoa no iantombenan’ ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.

3Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.

4Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;

5Misaina hanongana azy hiala amin’ ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin’ ny vavany izy, fa manozona amy ny fony. [Sela.]

6Miantombena amin’ Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.

7Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.

8Andriamanitra no iankinan’ ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’ Andriamanitra.

9Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. [Sela.]

10Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.

11Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.

12Indray mandeha no nitenenan’ Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an’ Andriamanitra ny hery.

13Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.

← Psalms 61 Psalms Psalms 63 →

Psalms 62 — malgaxe:

Injili ya Yesu