We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 56

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 55 Psalms Psalms 57 →

1

2Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.

3Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.

4Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao.

5Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko?

6Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.

7Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.

8Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.

9Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny?

10Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.

11Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.

12Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko?

13Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.

14Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona.

← Psalms 55 Psalms Psalms 57 →

Psalms 56 — malgaxe:

Injili ya Yesu