We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 54

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 53 Psalms Psalms 55 →

1<title canonical="true" type="psalm"> Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida,

2fony tonga ny Zifita ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida?</title>

3Vonjeo amin’ ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.

4Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin’ ny vavako.

5Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an’ Andriamanitra ho eo anatrehany izy. [Sela.]

6Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.

7Hamaly ny ratsy ataon’ ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.

8Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.

9Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin’ ny fahavaloko.

← Psalms 53 Psalms Psalms 55 →

Psalms 54 — malgaxe:

Injili ya Yesu