We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 48

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 47 Psalms Psalms 49 →

1

2Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masìna.

3Avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ ny ilany avaratra, tanànan’ ny Mpanjaka lehibe.

4Andriamanitra ao an-tranon’ andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.

5Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.

6Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;

7Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka.

8Amin’ ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’ i Tarsisy.

9Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao an-tanànan’ Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay. [Sela.]

10Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin’ ny tempolinao.

11Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.

12Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin’ Joda, noho ny fitsaranao.

13Manodidina an’ i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,

14Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby.

15Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ ny fahafatesana aza.

← Psalms 47 Psalms Psalms 49 →

Psalms 48 — malgaxe:

Injili ya Yesu