We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 36

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 35 Psalms Psalms 37 →

1

2Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy.

3Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.

4Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.

5Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.

6Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.

7Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,

8Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona.

9Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.

10Fa ao aminao no misy loharanon’ aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.

11Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo.

12Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy.

13Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.

← Psalms 35 Psalms Psalms 37 →

Psalms 36 — malgaxe:

Injili ya Yesu