We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 29

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 28 Psalms Psalms 30 →

1Manomeza an’ i Jehovah, ry zanak’ Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah.

2Omeo an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna.

3Ny feon’ i Jehovah no eny ambonin’ ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin’ ny rano be.

4Ny feon’ i Jehovah be hery; Ny feon’ i Jehovah be voninahitra.

5Ny feon’ i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.

6Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak’ omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.

7Ny feon’ i Jehovah mampisaraka ny lelafo;

8Ny feon’ i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr’ i Kadesy.

9Ny feon’ i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!

10Jehovah nipetraka teo ambonin’ ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.

11Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin’ ny fiadanana.

← Psalms 28 Psalms Psalms 30 →

Psalms 29 — malgaxe:

Injili ya Yesu