We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 23

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 22 Psalms Psalms 24 →

1Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,

2Mampandry ahy amin’ ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ ny rano fialan-tsasatra Izy.

3Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ ny lalan’ ny fahamarinana noho ny anarany Izy.

4Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.

5Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.

6Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah andro lava aho.

← Psalms 22 Psalms Psalms 24 →

Psalms 23 — malgaxe:

Injili ya Yesu