We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 20

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 19 Psalms Psalms 21 →

1

2Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba.

3Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.

4Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. [Sela.]

5Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.

6Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin’ ny anaran’ Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin’ i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.

7Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana.

8Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.

9Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,

10Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin’ izay andro iantsoanay Azy.

← Psalms 19 Psalms Psalms 21 →

Psalms 20 — malgaxe:

Injili ya Yesu