We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 15

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 14 Psalms Psalms 16 →

1Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masìna?

2Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;

3Tsy manendrikendrika amin’ ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,

4Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,

5Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina,― izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.

← Psalms 14 Psalms Psalms 16 →

Psalms 15 — malgaxe:

Injili ya Yesu