1Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an’ Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
2Manangana an’ i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
3Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
4Milaza ny isan’ ny kintana Izy: Samy tononiny amin’ ny anarany ireny rehetra ireny.
5Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
6Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany.
7Mihirà fiderana ho an’ i Jehovah; Mankalazà an’ Andriamanitsika amin’ ny lokanga,
8Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin’ ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
9Manome hanina ho an’ ny biby Izy Sy ho an’ ny zana-goaika izay mitaraina.
10Tsy ny herin’ ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
11Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
12Mankalazà an’ i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an’ Andriamanitrao, ry Ziona ô.
13Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
14Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
15Mampandeha ny didiny ho amin’ ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
16Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.
17Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?
18Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
19Milaza ny teniny amin’ i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ Isiraely.
20Tsy nanao toy izany tamin’ izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr’ ireny. Haleloia.