We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 136

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 135 Psalms Psalms 137 →

1Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

2Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

3Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;

4Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

5Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

6Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

7Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

8Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

9Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

10Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)

11Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

12Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

13Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

14Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

15Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

16Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

17Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

18Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

19Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

20Sy Oga, mpanjakan’ i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

21Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

22Dia ho lovan’ ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

23Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

24Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

25Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);

26Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

← Psalms 135 Psalms Psalms 137 →

Psalms 136 — malgaxe:

Injili ya Yesu