We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Psalms 13

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Psalms 12 Psalms Psalms 14 →

1Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?

2Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan’ andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan’ ny fahavaloko ho amboniko?

3Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;

4Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.

5Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin’ ny famonjenao ny foko. Hihira ho an’ i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;

← Psalms 12 Psalms Psalms 14 →

Psalms 13 — malgaxe:

Injili ya Yesu