1Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
2Ny fahotan’ ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian’ ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana.
3Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
4Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy.
5Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an’ i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
6Ny malahelo izay mandeha amin’ ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika.
7Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
8Izay mampitombo ny fananany amin’ ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’ izay miantra ny malahelo
9Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
10Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin’ ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
11Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
12Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.
13Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
14Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
15Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin’ ny olona reraka.
16Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
17Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
18Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
19Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.
20Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
21Tsy mety raha mizaha tavan’ olona; Kanefa na dia amin’ ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ ny olona hanotana.
22Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
23Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin’ ny lelany.
24Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman’ ny mpanimba.
25Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an’ i Jehovah dia hohatavezina.
26Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala.
27Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
28Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.