We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Hosea 3

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Hosea 2 Hosea Hosea 4 →

1Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodìna ho amin’ izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka.

2Ka dia novidiko sekely volafotsy dimy ambin’ ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy.

3Ary hoy izaho taminy: Andro maro no hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na hanambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao.

4Fa andro maro no hitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima.

5Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak’ Isiraely ka hitady an’ i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an’ i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any am-parany.

← Hosea 2 Hosea Hosea 4 →

Hosea 3 — malgaxe:

Injili ya Yesu