We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Joshua 12

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Joshua 11 Joshua Joshua 13 →

1Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ ny Zanak’ Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan’ i Jordana hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan’ ny tani-hay

2Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan’ ny lohasaha sy ny antsasak’ i Gileada, dia hatramin’ ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin’ ny taranak’ i Amona,

3ary ny ilany atsinanan’ ny tani-hay hatramin’ ny Ranomasina Kinerota ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin’ ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin’ ny tany atsimo eo am-bodin’ i Pisga.

4Ary azony koa ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, isan’ ny Refaïta sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,

5sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’ i Gileada, fari-tanin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona.

6Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, sy ny Zanak’ Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ho lovan’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.

7Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan’ i Libanona, ka hatramin’ ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seïra, ka ny taniny nomen’ i Josoa ny firenen’ ny Isiraely araka ny fizarany,

8dia ny any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin’ ny tani-hay sy amin’ ny tany am-bodin’ ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin’ ny tany atsimo, dia ny an’ ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:

9Ny mpanjakan’ i Jeriko, iray; ny mpanjakan’ i Ay, izay eo anilan’ i Betela, iray;

10ny mpanjakan’ i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’ i Hebrona, iray;

11ny mpanjakan’ i Jarmota, iray; ny mpanjakan’ i Lakisy, iray;

12ny mpanjakan’ i Eglona, iray; ny mpanjakan’ i Gazera, iray;

13ny mpanjakan’ i Debira, iray; ny mpanjakan’ i Gadera, iray;

14ny mpanjakan’ i Horma, iray; ny mpanjakan’ i Arada, iray;

15ny mpanjakan’ i Libna, iray; ny mpanjakan’ i Adolama, iray;

16ny mpanjakan’ i Makeda, iray; ny mpanjakan’ i Betela, iray;

17ny mpanjakan’ i Tapoa, iray; ny mpanjakan’ i Hefera, iray;

18ny mpanjakan’ i Afeka, iray; ny mpanjakan’ i Lasarona, iray;

19ny mpanjakan’ i Madona, iray; ny mpanjakan’ i Hazora, iray;

20ny mpanjakan’ i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan’ i Aksafa, iray;

21ny mpanjakan’ i Tanaka, iray; ny mpanjakan’ i Megido, iray;

22ny mpanjakan’ i Kadesy, iray; ny mpanjakan’ i Jokneama any Karmela, iray;

23ny mpanjakan’ i Dora eo amin’ ny havoan’ i Dora, iray; ny mpanjakan’ ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;

24ny mpanjakan’ i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan’ ny mpanjaka rehetra.

← Joshua 11 Joshua Joshua 13 →

Joshua 12 — malgaxe:

Injili ya Yesu