We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Isaiah 23

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Isaiah 22 Isaiah Isaiah 24 →

1Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon’ i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin’ ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.

2Mangìna, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin’ ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao.

3Teny amin’ ny rano be ny varin’ i Sihora, dia ny vokatr’ i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan’ ny firenena izy.

4Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.

5Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’ i Tyro.

6Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.

7Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin’ ny tongony hivahiny any lavitra any?

8Iza no nikasa izany hamelezana an’ i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin’ ny tany ny mpivarony.

9Jehovah, Tompon’ ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan’ ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin’ ny tany.

10Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an’ i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony.

11Ny tànan’ i Jehovah nahifiny tambonin’ ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin’ i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.

12Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.

13Indro ny tanin’ ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon’ ny Asyriana fonenan’ ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan’ ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.

14Midradradradrà ianareo, ry sambon’ i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.

15Ary amin’ izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron’ ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan’ ilay tonon-kalon’ ny janga manao hoe:

16“Makà lokanga, ka miveziveze eran’ ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao.”

17Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an’ i Tyro, ka dia hiverina amin’ ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin’ ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.

18Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an’ i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an’ izay mitoetra eo anatrehan’ i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika.

← Isaiah 22 Isaiah Isaiah 24 →

Isaiah 23 — malgaxe:

Injili ya Yesu