We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Isaiah 12

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Isaiah 11 Isaiah Isaiah 13 →

1Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.

2Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.

3Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena.

4Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.

5Mankalazà an’ i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin’ ny tany rehetra izany.

6Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ ny Isiraely.

← Isaiah 11 Isaiah Isaiah 13 →

Isaiah 12 — malgaxe:

Injili ya Yesu