We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

Esther 10

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← Esther 9 Esther

1Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina.

2Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin’ ny filazana ny fahalehibiazan’ i Mordekay, araka izay nanandratan’ ny mpanjaka azy, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ i Media sy Persia va izany?

3Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an’ i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin’ ny Jiosy ka nankasitrahan’ ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin’ ny olona rehetra iray firazanana aminy.

← Esther 9 Esther

Esther 10 — malgaxe:

Injili ya Yesu