We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

I Chronicles 8

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← I Chronicles 7 I Chronicles I Chronicles 9 →

1Ary Benjamina niteraka an’ i Bela, lahimatoa, sy Asbela, lahiaivo, sy Ahara, fahatelo,

2sy Noha, fahefatra, ary Rafa, faralahy.

3Ary ny zanakalahin’ i Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda

4sy Abisoa sy Namana sy Ahoa

5sy Gera sy Sefofana ary Horama.

6Ary izao no zanakalahin’ i Ehoda (izao no lohan’ ny fianakavian’ ny mponina any Geba; ary nitondra azy ho babo tany Manahata,

7Namana sy Ahia ary Gera; izy no nitondra azy ho babo), niteraka an’ i Oza sy Ahihoda izy.

8Ary Saharaima niteraka tao amin’ ny tany Moaba taorian’ ny nisaorany an’ i Hosima sy Bara vadiny.

9Ary Hodesy vadiny no niterahany an’ i Jobaba sy Ziba sy Mesa sy Malkama

10sy Jeoza sy Sakia ary Mirma. Ireo no zananilahy, samy lohan’ ny fianakaviany avy.

11Ary Hosima no niterahany an’ i Abitoba sy Elpala.

12Ary ny zanakalahin’ i Elpala dia Ebera sy Misama ary Samera, izay nanorina an’ i Ono sy Loda sy ny zana-bohiny;

13Beria koa sy Sema, izay lohan’ ny fianakavian’ ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata;

14ary Ahio sy Sasaka sy Jeremota

15sy Zebadia sy Arada sy Adera

16sy Mikaela sy Jispa sy Joha (zanakalahin’ i Beria ireo),

17ary Zebadia sy Mesolama sy Hizky sy Hebera

18sy Jismeray sy Jizlia sy Jobaba (zanakalahin’ i Elpala ireo),

19ary Jakima sy Zikry sy Zabdy

20sy Elienay sy Ziletahy sy Eliala

21sy Adaia sy Beraia sy Simrata (zanakalahin’ i Simey ireo),

22ary Jispana sy Hebera sy Eliala

23sy Abdona sy Zikry sy Hanana

24sy Hanania sy Elama sy Antotia

25sy Jifdia sy Penoela (zanakalahin’ i Sasaka ireo),

26ary Samseray sy Seharia sy Atalia

27sy Jaresia sy Elia sy Zitry (zanakalahin’ i Jerohama ireo).

28Ireo no lohan’ ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.

29Ary tao Gibeona no nonenan’ ny razamben’ ny an’ i Gibeona, ary ny anaran’ ny vadiny dia Imaka,

30ary Abdona no lahimatoany, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nadaba,

31dia Gedora, dia Ahio, dia Zakera.

32Ary Miklota niteraka an’ i Simea. Ireo koa dia niara-nonina tamin’ ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.

33Ary Nera niteraka an’ i Kisy; ary Kisy niteraka an’ i Saoly; ary Saoly niteraka an’ i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

34Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an’ i Mika.

35Ary ny zanakalahin’ i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.

36Ary Ahaza niteraka an’ i Joada; ary Joada niteraka an’ i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an’ i Moza;

37ary Moza niteraka an’ i Binea; Rafa no zanakalahin’ i Binea, Elasa no zanakalahin’ i Rafa, Azela no zanakalahin’ i Elasa

38Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Azela.

39Ary ny zanakalahin’ i Eseka rahalahiny dia Olama, lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta, faralahy.

40Ary ny zanakalahin’ i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak’ i Benjamina.

← I Chronicles 7 I Chronicles I Chronicles 9 →

I Chronicles 8 — malgaxe:

Injili ya Yesu