We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

I Chronicles 24

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← I Chronicles 23 I Chronicles I Chronicles 25 →

1Ary ny amin’ ny taranak’ i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;

2fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.

3Ary Davida sy Zadoka, isan’ ny taranak’ i Eleazara, sy Ahimeleka, isan’ ny taranak’ Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.

4Ary ny lohany tamin’ ireo, dia tamin’ ny taranak’ i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin’ ny taranak’ Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin’ ny taranak’ i Eleazara dia enina ambin’ ny folo no lohan’ ny fianakaviana; ary tamin’ ny taranak’ Itamara dia valo kosa no lohan’ ny fianakaviana.

5Ary samy nozarazaraina tamin’ ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masìna, dia mpifehy ho an’ Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin’ ny taranak’ i Eleazara, na ny avy tamin’ ny taranak’ Itamara.

6Ary Semaia, zanak’ i Netanela, mpanoratra anankiray tamin’ ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak’ i Abiatara, sy teo anatrehan’ ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an’ i Eleazara, ary iray kosa ho an’ Itamara.

7Ny loka voalohany dia azon’ i Joariba, ny faharoa an’ i Jedaia,

8ny fahatelo an’ i Harima, ny fahefatra an’ i Seorima,

9ny fahadimy an’ i Malkia, ny fahenina an’ i Miamina,

10ny fahafito an’ i Hakoza, ny fahavalo an’ i Abia,

11ny fahasivy an’ i Jesoa, ny fahafolo an’ i Sekania.

12ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Eliasiba, ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Jakima,

13ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Hopa, ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Jesebaba,

14ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Bilga, ny fahenina ambin’ ny folo an’ Imera,

15ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Hezira, ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hafizeza,

16ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Petahia, ny faharoa-polo an’ i Jehezekela,

17ny fahiraika amby roa-polo an’ i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an’ i Gamola,

18ny fahatelo amby roa-polo an’ i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an’ i Mazia.

19Ireo avy no antokony amin’ ny fanompoany izay idirany ao an-tranon’ i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin’ i Arona rainy, araka ny nandidian’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.

20Ary tamin’ ny taranak’ i Levy sisa dia izao; Tamin’ ny taranak’ i Amrama dia Sobaela; tamin’ ny zanak’ i Sobaela dia Jedala.

21Ny amin’ i Rehabia: tamin’ ny taranak’ i Rehabia dia Jisia no voalohany.

22Tamin’ ny Jizarita dia Selomota; tamin’ ny taranak’ i Selomota dia Jahata.

23Ary ny amin’ ny taranak’ i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.

24Ny zanakalahin’ i Oziela dia Mika; tamin’ ny taranak’ i Mika dia Samira;

25ny rahalahin’ i Mika dia Jisia; tamin’ ny taranak’ i Jisia dia Zakaria.

26Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin’ i Jazia dia Beno.

27Ny zanakalahin’ i Merary tamin’ i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.

28Avy tamin’ i Maly no nihavian’ i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.

29Ny amin’ i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.

30Ary ny zanakalahin’ i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.

31Ary ireo dia mba niara-niloka tamin’ ny rahalahiny, taranak’ i Arona, teo anatrehan’ i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan’ ny fianakavian’ ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.

← I Chronicles 23 I Chronicles I Chronicles 25 →

I Chronicles 24 — malgaxe:

Injili ya Yesu